Fa sarotra ny miaina ety?
Hendry ianao fa tsy adala ô!
Sao lavo efa tsy afa-miala ô!
Azafady aminao izay mihaino
Aza tsiny aminao izay mitazana ô!
Tena tiako an’ianao sombinaina
Ka meteza hatoroko lalana
Meteza hatoroko lalana ô!
Efa maro ireo mpifankatia
Nefa indrisy vao tonga ny olana ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!
Ho anao mafanafanan’ny fitia
Miankavanana, miankavia ianao
Tandremo fa saro-pady anie ny tena
Seminera aloha vonjena re
Sao midona amin’ny vody laona
Ry mpivady izay misanehaka
Ny vao tsy manitra re no ratsy
F’ianareo efa galy fantsy
Maneno alika indray vao mody
Tsy te-hahita tava ilay vady
Aoka aloha re! aoka itsy!
Ka andeha re vonjeo ny seminera
Azafady aminao izay mihaino
Aza tsiny aminao izay mitazana ô!
Tena tiako an’ianao sombinaina
Ka meteza hatoroko lalana
Meteza hatoroko lalana ô!
Efa maro ireo mpifankatia
Nefa indrisy vao tonga ny olana ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!
Tsy mba mety milamin-tsaina
Ny reny tsy mihinan-kanina
\"Je t’aime\" fotsiny ihany dia lasa
Toa namelona zana-baratra
Malakilaky f’izao no LERA
’Ndeha re vonjeo ny seminera
Ry Dada sy Neny, zoky sy zandry
Ry manam-panahy tsy tafandry mandry
Tandremo mahazo vahana ny ditra ô!
Ny tsara tadiavinao indray no ritra
Nefa betsaka no voabaraka
Sarontsaronana amin-kirahira
Ka firifiry moa no voaviravira
Efa hatry ny ela izany, tany aloha tany
Izay lavo ihany anie no mihosina amin’ny tany
Ireo vazaha milaza ho olo-mandroso ô!
Tsy miakatra ireny fa mikororosy ô!
Ny lehilahy indray no mifanambady
Ny vavy koa dia toy izany
Ny rainy ve?... i Caroline
Ny reniny?...i Jacqueline
Loza ity... fa dia naninona?
Seminera ihany aloha banjinina
Fitiavanae! raha voakolokolo
Tandremo fa misy izy ireny
Tonony: Pasteur RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa
Feony: RANAIVOSOLO William Casimir
Hira fanentanana: SEMINERA VONJEO NY FIANAKAVIANA 2005
FJKM ZOARA-FANANTENANA AMBOHIPO