Matoa isika velona hatramin’ny anio
Ny ho kivy na ketraka dia tadidio
Tsy manam-paharetana amin’ny finoana
Dia mipenimpenina nony voadona
Ny sasany izany efa mivezivezy
Velon-taraina sy mitebiteby, marina ô!
Nikaroka ihany fa tsy ampy kle
Dia lasa namonjy an’i dadarabe marina ô!
Nandohalika ihany izy isa-maraina
Manandratra vavaka sy mitaraina, marina ô!
Tsy nisy tanteraka izay nokasaina
Dia niverin-dalana ka niala-maina, marina ô!
Manana faharetana ianao re rangahy
Ka reseo mora ny fakam-panahy
Reseo moramora izy ka aza manana ahiahy (3)
Izay rehetra hita toa tsara avokoa
Kanefa tandremonao Ramatoa
Manana faharetana ka, aza manana ahiahy (3)
Tanora ianao ka manantena
Manana faharetna amin’ny atao
Fa be ireo fahavalo manenjika anao
Izay resy anie ka miala maina
Ho lavo sy hanenina tsy afa-mijoro
Ho potika sy rava ho voatorotoro
Nihezaka mafy hitady ny soa
Nivavaka sady nanondrika loha,marina ô!
Nanantena hahazo izay nokendrena
Kanefa ao anaty be fitiavan-tena, marina ô!
Naniry ny hanana ka dia nitady
Kanefa tsy hitany izay mba ho vady, marina ô!
Nihevitra mantsy fa tsy hisy mpitia
Dia lasa nampiasa ny ody fitia, marina ô!
Manana faharetana ianao tovolahy
Aza mety ho resin’ny fakam-panahy
Fa reseo moramora izy ka, aza manana ahiahy (3)
Nomen’Andriamanitra endrik’anjely
Ka dia mitrakà re ry madimôzely
Manana faharetana ka aza manana ahiahy (3)
Na sarotra aza re ny zava-midona ô!ô!
Tano ka ifikiro ny finoana ô!ô!
O!O! Jereo ny lanitra dia mivavaha
Ny Tompo tsy manary ka dia mitrakà
Ho tanteraka foana izay nokasaina
Izay manao ny marina tsy miala maina
Na sarotra aza re ny zava-midona ô!ô!
Tano ka ifikiro ny finoana ô!ô!
O!O! Izay manam-paharetana no ho vonjena
Izay mino an’I Jesosy mbola manantena
Aoka hisy vokany re izay atao
Ny kivikivy foana re mba ialao