Manao aza-fady aminao mihaino
Izao re no hafatra ataoko anao
Raha mpivavaka ianao no mankamin’ny
Dia tsy ho afa-maina amin’ny
Raha anio no mibebaka mitalaho
Voatanisa avokoa izao rehetra izao
Mifona mivalo sy mandohalika
Nefa ny ampitso ihany dia mifangarika
Na dia hibebaka hitaraina
Ny vavaka ataonao very maina
Fa maro ireo olona tena mpihatsara
Miroso mankany amin’ny afobe izao
Tsy menatra akory ny Biboly
Fa miziriziry amin’ny fomba ratsy
Fa mody mivavaka ny Alahady
Nefa ny Alatsinainy mangala-bady
Mazava ny andro Kristiana
Fa vao maizimaizina mody fanina
Madio ivelany raha jerena
Fa ny ao anatiny mahonena.
O! ry vahoaka manatrika eto
Ny toerana ankoatra ny fiangonana
Ny fifankahalana sy fialonana
Ny sampy mamily mankany an-kady
Ny madio ivelany ny Alahady
Tsy misy olombelona tonga lafatra
Fa samy mpanota sy diso lalana
Andriamanitra anie ka tsy mba mivadika
Na maditra aza isika dia mbola avelany
Efa nomeny antsika hamonjy antsika izao
Ka ny fonao mibebaka mba hadio
Ry Kaky sy Neny ô!Ry zoky sy zandry
Ity re no resaka mba haroso raha sitrakao
Mamitaka malama,ny fiainana eto an-tany
Manimba anao ny toetra ratsy ka avelao
Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA
FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO