Aza-fady aminao izay mihaino anio
Fa hilaza tantara aho ka tadidio
Ilay fahafatesana no indro lefy
Ka ny Tompo nitsangana ho mpandresy
Ho famonjena izao tontolo izao
Ka henoy kely ange izao tantara izao
Efa isan’ireo voavonjy ianao
Ka ny toetra tsy mendrika re ialao
Efa voaisa ny andro ahavelomanao
Ka ajanony ny ratsy izay tsy fanao
Roahy ny devoly fandrava laka
Tohero sakano aza avela hanjaka
Rohizo amin’ny tady handadilady
Aronjony avarino mankany an-kady
Teneno ireo mbola misalasala
Fa ny tompo Andriamanitra mahalala
Izay ataonao ety tsy mba misy miery
Avo toerana Izy io fa ambany fijery
Nanafatra antsika i kristy
Ny olombelona aoka hifankatia
Na ny fahavalo aza tsy azo ariana
Dinidiniho ka hevero tsara
Fa voalaza amin’ireo Filazantsara
Ireo didy napetrany ho antsika ety
Ka samia re mitandrina tsy hania
Nitsangana ho antsika ny Tompo
Voasasany ny fo izay maloto
Ka indro miantso antsika izy androany
Raha toa ianao tsy mihaino an’izany
Aneneno ny ratsy efa vitanao
Mibebaha mangataha amin’ny Tompo izao
Ho fafany ny heloka vitanao
Aza miandry ny ampitso sao ho neninao
Fitiavana mandrakizay doria
Na ny rany aza efa narotsany
Hamonjeny antsika izay zandriny
Fahavalo efa resy anie satana
Voageja voafatotra sy voatana
K’ivavaho mba ho azonao ilay Kanana
Samy ho any avokoa k’aza mihanahana
Aza kivy na ketraka mitsangana
F’efa miandry ny Tompo any an-tanana
Mahereza rahavako mihomana
F’efa akaiky ny andro izay hiaingana
Izay mifona dia efa voavela heloka
Ka tandremonao indray sao miova hevitra
Tazano ny lanitra ka banjino
Ireo teny no meny aza misy hadino