Tantara iray no ho lazaiko anao
Ka ataovy toy ny voankazo an’ala
Ny lanitra sa izao tontolo izao
Raha eto isika amin’ny andro anio
Tandremo tsara ny hadalana
Ny lanitra ihany no hiafarana
Ny fiainana eto no tiako hambara
Ka samia isika mihaino tsara
Mba tsy ho nenina any am-para
Inona moa ny any an-danitra any
Raha izaho aloha dia aoka ho eto ihany
Jereo anie f’izay lasana any
Dia lasa nivadika vovo-tany
Ireo milaza ho mpivavaka aza
Henoy anie ho lazaiko anao
Ny fomba fisainany sadasada
Andavan’andro izy tena mpiady
Dia mody bonaika amin’ny Alahady
Ka mandrbireby amin’ny toriteny
Izahay tanora mba te-hidola
Fotoana azo itadiavam-bola
Laniana ianarana katesizy
Raha handany andro amin’izay Diakôna
Tandremo kely mba tsy hanenina
Tsy aleonareo ve mijery baolina
Na mampiady mason’ny dobla enina
Raha fiadanana no zahana ô!
Aleoko ihany mijanona eto
Ity tany ity sarotra ialana ô!
Fa mamiko loatra ka aoka ihany.
Aza-fady anie ho lazaiko anao
Raha ny eto an-tany didniho tsara
Dia fandalovana tsotra izao
Ny lanitra ihany no hiafarana
Na zovy milaza ho manam-bola
Tsy nahavidy ny ainy fa lasa ihany
Izay maty anie tsy afaka nitondra
Ranomaso sisa dia izay ihany
Nandany andro niadaladala
Efa ho faty izay vao mipitrapitra
Nankaiza ianao Tompo malala ô!
Aza avela ho any amin’ny fiainan-tsy hita
Tanora andrin’ny firenena
Tsy mahita vola mba hidolana
Indrisy fa lasa mivaro-tena
Ny sasany lasa any am-pigadrana
Matoa ho raim-pianakaviana
Zaza any an-trano tsy mihinan-daoka
Ny vady mivesatra fahoriana
Izy eny an-tsena misotro toaka
Toa lainga ianao raha hijanona eto
Ka eritrereto diniho tsara
Fa malama maina ka mampisento
Ny lanitra ihany no hiafarana
Na zovy na zovy miaina eto an-tany
Tsy misy mijanona mandrakizay
Mandalo miserana foana dia lasa
Izay nihevi-tena fa hijanona eto Niala-maina
Ny lanitra ihany no tena fodiana
Fa ny eto dia sento sy fitomaniana
K a fidio tsara ny lalan-kombana
Tsy ety fa ery re ny tany Kanana