Manao azafady kely aminao
Aza-fady aho ry Ikaky sy Neny
Fa mba misy kely resaka atao
Ka aza-fady no voalohan-teny
Aza tsiny mananatranatra anareo
Aza tsiny aho ry zoky sy zandry
Entanin’ny fo feno fitiavana e!
Ka indro tsy tafandry mandry
Samia isika,mihaino tsara
Tsy manaja Ray aman-dreny
Fa tsiratsirainy raha mba miteny
Lany andro amin’ny filibana
Manao toetra ratsy sy hadalana
Tsy mijery izay tevana hiviliana
Tsy mitsinjo izay hiafarana
Fa mivenjivenjy eran’ny tanana
Na ny kibo niraisana tsy tsaroana
Zarao ny fananao re ry Ikaky
Samia isika,mihaino tsara
Dia nalaina ary ireo harena
Nefa tsy ho entina aiza akory anie ireo
Nanasana ireo sakaiza marobe
Tsy nitoto ary tsy nitsitsy izay fanana
NIatahan’ireo sakaiza nitokiana
Niketriketrika ny ati-doha
Tsy nandeha tamim-piheverana ianao
Ny hiafarany tsy maintsy voa
Lany hevitra ,lany tetika hatao
Ny fiainanao ilay tsara fahiny
Ianao ilay tena niadana taloha
Nanjary miara-mandry amin’ny kisoa
Dia nanapa-kevitra Randriamatoa
Fa hody amin’Ikaky sy Neny
Nahatsiaro ihany ilay fandriana mafana
Ka nody mba ho any an-tanàna
Henoy ihany re ireo Ray aman-dreny miteny
Fa tsipaky ny omby mahavoa mahafaty anie ireny
Tandremo ny ditra sy ny hadalana zokiko ô!
Ialao re ny fingan’ny lala-malama zandriko ô!
Ireo tsy mba mety hanarina tsy mba manaiky hatoro
Ireny no latsaka anatin’ny tevana mamono
Tandremo ny ditra sy ny hadalana zokiko ô!
Ialao re ny fingan’ny lala-malama zandriko ô!
Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA
FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO