Toa tsy sahy anantona Anao
Vahotra, ny ao anatiko ao
Tsapako fa manindrona ao am-po
Menatra aho, matahotra aho
Ray ô, noho ny ràn'i Zanakao
Dia indro fa manantona aho.
Fo maloto sy feno ratsy ka tsy mendrika ho Anao
Tena tsy mahatehotia fa lamba mihosin-drà
Mba sasao amin'ny ràn'ilay Zanakao
Fa iriko ny ho madio sy vaovao.
Mino aho fa Ianao dia fitiavana
Reko fa izay manantona Anao
Ho mpanomponao hatrizao sy ho mandrakizay!
Ray ô, mba fikiro mafy aho
Fo maloto sy feno ratsy ka tsy mendrika ho Anao
Tena tsy mahatehotia fa lamba mihosin-drà
Mba sasao amin'ny ràn'ilay Zanakao
Fa iriko ny ho madio sy vaovao.
Ray ô, mba fikiro mafy aho
Fo maloto sy feno ratsy ka tsy mendrika ho Anao
Tena tsy mahatehotia fa lamba mihosin-drà
(Mba sasao amin'ny ràn'ilay Zanakao)
Fa iriko ny ho madio sy vaovao.
Fa iriko ny ho madio sy vaovao