Isaorako ianao, nanohana ahy
Ka fo roa hanjary ho lasa iray, tafaray
Isaorako ianao, nitia ahy
Ankehitriny aho hiteny kely indray
Izay tsy voalaza hatrizay
Ity foko babonao ry malala tsy ankisalasala
Ho lazaiko anao anio eto izao
Fa fanamperana ho ahy ianao
Ny ato an-tsaiko ambarako anao
Isaorako ianao, nahatoky ahy
Teo ireo tsy tia, nanenjika ahy, namaivay
Fitia madio, no omeko anao
Ity foko babonao ry malala Tsy ankisalasala
Ho lazaiko anao anio eto izao
Fa fanamperana ho ahy ianao
Ny ato an-tsaiko ambarako anao
N'iza n'iza andrava sy ankahala
Ianao irery no finidy sy sahaza
Tsy ho resin'izao rehetra izao
Ho lazaiko anao anio eto izao
Fa fanamperana ho ahy ianao
Ny ato an-tsaiko ambarako anao
Ho lazaiko anao anio eto izao
Fa fanamperana ho ahy ianao
Ny ato an-tsaiko ambarako anao
N'iza n'iza andrava sy ankahala
Ianao irery no finidy sy sahaza
Tsy ho resin'izao rehetra izao