Tampina ny lalana, toa hianjera
Fa vovoka nanidina no nampanahy
Hey! tsy irery ianao f'akaiky eto izahay
Ndao! Mitsikia f'aza manaiky ho resy izany
Mpiray tampo sy ireo namana
Ianao nifidy anay ho havana
Isika izao iray fo sy fanahy
Tsisy haharesy antsika miaraka
Mety ho lavitra ny lalana raha variana
Fa, misy koa hoe rahona nanaloka
Mamiratra eny aloha ny tanjonao aza ariana
Avia fihiniko fa reko ireo taraina
Hey! tsy irery ianao f'akaiky eto izahay
Ndao! Mitsikia f'aza manaiky ho resy izany
Mpiray tampo sy ireo namana
Ianao nifidy anay ho havana
Isika izao iray fo sy fanahy
Tsisy haharesy antsika miaraka
Hey! tsy irery ianao f'akaiky eto izahay
Ndao! Mitsikia f'aza manaiky ho resy izany Oh
Ianao nifidy anay ho havana
Fa isika izao iray fo sy fanahy
Tsisy haharesy antsika miaraka