Nanao mariazy ny reniakoho
Tao anaty garazy no rendez-vous
Nahita an'izany raganagana
Nitehaka nihira sy nikorana
Ny vorontsiloza manaraka efa
Avy eo aoriana nirefarefa
Nifety nihira tsy nisy beso
Ny gisa rehetra no indray naneso
Tara dia tara r'ingahy radokotra
Ka vita kabary vao mba somokotra
Indro fa tonga ny akoholahy
Sendra salegy ka maty pas
Ka niedinedina nigagana o
Troupen'ny bitro ny orkesitra
Karama karaoty efa ho folo kesika
Sakafo natao nampilendalenda
Mailaka ery ary i lavatenda
Nivalana sisa no niafarany
Ka rotaka be ts'isy ohatr'izany o
Troupen'ny bitro ny orkesitra
Karama karaoty efa ho folo kesika
Sakafo natao nampilendalenda
Mailaka ery ary i lavatenda
Nivalana sisa no niafarany
Ka rotaka be ts'isy ohatr'izany o