Aza miandry azy ianao fa tsy ho avy hono izy anio
Izay no hafatra napetrany fa tafahaona izahay
Nahasorena azy angamba Ny toetra izay nasehonao
Nanafina aminy ny momba anao
Aza atao mahataitra anao ny tsy hahatongavany eto izao
Nalahelo mafy angamba izy noho ireo fihetsikao
Zavatra tsy tantiny ny mitazana anao
Mifampisangy amin’ny hafa eo imasony
Mba marary ihany anie ny sainy
Mba nalahelo ihany anie izy iny
Nefa ataony ahoana kosa moa
Ny mieritreritra fa ianao
Dia mbola manana olon-kafa hotiavina
Ka tsy ho azy ianao, tsy ho azy irery ihany
Niezaka ny handefitra izy fa mbola tena tia anao
Nefa aza omena tsiny hono raha tsy tonga eto izy anio
Tsy miafina aminy intsony fa mifankatia ianao
Sy iny olona iny hatramin’izay
Mba marary ihany anie ny sainy
Mba nalahelo ihany anie izy iny
Nefa ataony ahoana kosa moa
Ny mieritreritra fa ianao
Dia mbola manana olon-kafa hotiavina
Ka tsy ho azy ianao, tsy ho azy irery ihany
Mba marary ihany anie ny sainy
Mba nalahelo ihany anie izy iny
Nefa ataony ahoana kosa moa
Ny mieritreritra fa ianao
Dia mbola manana olon-kafa hotiavina
Ka tsy ho azy ianao, tsy ho azy irery ihany