Ray ô, ao anatin’ny hantsana miantso,
Ray ô, mba henoy izany feo mitomany anao,
Ray ô, raiso ny tanako, andeso aho,
Ray ô, tsy fahavalo fa zanaka mila anao aho!
Fa nanao ’zay tiako atao,
Ankehitriny, miaiky sy miala tsiny.
Neny malala ô, niankin-drindrina ireny,
Neny tiako, manazava ny lalana diaviko,
Mama ô, zanaky ny mahery aho, tsy ho very,
Ianao loharanon’ny aiko nahitako masoandro.
Izaho no tsy nahitana tory!
Ny ato am-poko malahelo anao,
Ianao tsy foiko fa tena hohajaiko.
Ireo ditra lasa re tsy hataoko intsony!
Ray ô, ao anatin’ny hantsana miantso,
Neny tiako, manazava ny lalana diaviko,
Ray ô, raiso ny tanako, andeso aho,
Mama ô, loharanon’ny aiko nahitako masoandro,
Ny ato am-poko malahelo anao,
Ianao tsy foiko fa tena hohajaiko.