Avy aiza ? tsy haiko lazaina !
Mameno ny fo sy mambabo ny saina,
Faniriana tsy hay tohaina
Fikasàna tato anaty foana
Ny hikalo ny tontolo anoloana,
Ny fitiavana sy ny hafaliana,
Ireo tolona sy ireo fahoriana.
… faniriana tsy hay tohaina.
Tsy mety hangina fa miantso toy izao :
Dia hirao ’zay rehetra iainanao.
… hatraiza no hiafaràny ?
Na ho mora na ho sarotra izany
Dia ny hira no hanambaràko hatrany
Ny hafaliana mampamiratra tava,
Ny alahelo izay tsy mety misava.
… faniriana tsy hay tohaina.
’Zay rehetra izay no anasako anareo,
Andao isika mba hampiara-peo.
Tsy fantatra akory ’zay nahatonga an’izany,
Na avy aiza loatra no dia nitrangàny !
Andao hikalo, hihira sy handihy !
Tsy mety hangina fa miantso toy izao :
Dia hirao ’zay rehetra iainanao
Andao hikalo, hihira sy handihy !