Fa tsy latsaka intsony, tsy latsaka intsony
Fa tsy nety ho tony, tsy nety ho tony
Raha ny fahasambarako indrindra
Mbola eo an-tratranao, eo an-tratranao
Fa ilay foko mba nitia, toa noratrainao
Ref : sady mitsodrano, no manganohano
Fa raha ny foko mbola reko tomany
Saingy tsy hifanerena, fa fitiavan-tena
Raha hifikitra anao aho anefa ianao tsy tamana
Ataoko ampionona ahy, izay vita atrizay
Atao herin-tsaina hoe ho sambatra ianao
Fa mampijaly tena ilay omena tsy omena
2. Ny amiko rehetra nomeko
Fa tsy ampy anao, tsy ampy anao
Ny lasanao rehetra aza nekeko
Fa tsy hafoinao, ka manoratra ho anao aho
Ref : sady mitsodrano, no manganohano
Fa raha ny foko mbola reko tomany
Saingy tsy hifanerena, fa fitiavan-tena
Raha hifikitra anao aho anefa ianao tsy tamana
Ataoko ampionona ahy, izay vita atrizay
Atao herin-tsaina hoe ho sambatra ianao
Fa mampijaly tena ilay omena tsy omena