Ho takona, tsy ho tazana any ambadika any ho any
Ho saraka, tsy ho hita hanoloana ny tavako
Hofan-tànan’olon-tiana, kopakopaka mosara
Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro
Any an-dranomasina, any ambany lanitra mangina
Alin-kintana amam-bolana sy rivotra madio
Eny an-tokon-tanin-tsambo miaraka amin’ny gitara
D’ireo hira izay fikalo, ireo hirahirantsika
Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo
Veloma mandra-pihaona, tsy hanadino anao
Raha sendra embonembona any ka voatonona
Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro
Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana
Isan’andro vao mifoha, na halina hatory
Mety ho taona maro angamba, eny mbola tsy ho voafetra
K’aza malahelo foana fa antenaiko hisy fihaonana
Amin’izay fotoana izay hifampiantoraka isika
Ho eo imolotro indray ireo teny mamintsika
Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo
Veloma mandra-pihaona tsy hanadino anao