Veloma masìna e, ry masoandro mody
Veloma ry vorona misodisody
Veloma amin’ireo lavitra any
Raha mahita anareo e, mba manina ihany
Veloma masìna hamonjy ny akany
Fa izay hanadino asakasany izany
Malahelo ny fo, fenofeno tomany
Raha mahita anareo e, mba manina ihany
Fa sao - fa sao resin-tory
Kanefa - tsy hadino akory
Veloma masìna e, mandrapihaona
Raha hamaky ny rano, hanitsy ny havoana
Toneo re ny fony raha mila hisendaotra
Fa izay tapak’elatra tsy afa-manoatra
Fa sao - fa sao resin-tory
Kanefa - tsy ho hadino akory
Veloma masìna e, veloma masìna
Veloma masìna amin’ireo olon-tiana
Veloma masìna, veloma indrindra
Ny vatana saraka e, ny fo tsy mifindra
Fa sao - fa sao resin-tory
Ampitao - ampitao izany feo
Fa sao - fa sao resin-tory
Mba jerijereo re, ampitao izany feo
Mba jerijereo, ampitao izany feo