Efa hainao za fa mila anao ! mila anao
Tsapanao za tsy milalao ! milalao
Ameza 'zaho ilay French Kiss
Mazava ny fiainako raha misy anao
Tsy maizina ny saiko rehefa anilanao
Ny fofonao manitra ao an-koroko ao
Efa tsy handriko ny fotoana hanorohana anao
Hey ! fitiavako anao tsy ho ritra
Foiko omena izao dia izao
Euhhh ! manafaka ny aretin'andoha
Toa tsy ilaina ny fanafody
Ianao ihany no ao anatin'ny fo
Toa mitapy 'za io kara azon'ody
Kisskiss-nao io d'efa ampy ahy
kisskiss-nao maha be fakam-panahy
Omeo anah ilay tsikinao, ilay tsikinao io
Ilay mampiakatra ny hafanana
Omeo anah ilay ilaiko, ilaiko
Aminao io anie 'za mia tamana
French kiss ! French kiss
Aza avela anao hiala izaho aminao
Ilaiko hita hatrany anatin'ny fonao
Efa hainao za fa mila anao ! mila anao
Tsapanao za tsy milalao ! milalao
Ameza 'zaho ilay French Kiss
Mazava ny fiainako raha misy anao
Tsy maizina ny saiko rehefa anilanao
Ny fofonao manitra ao an-koroko ao
Efa tsy handriko ny fotoana hanorohana anao
Ataoko am-panajana mifangaro fanetretena
Raha manam-paniriana tsy midika fa hoe tia tena
Miala tsiny raha mangataka maro loatra aminao
Tsy voalanjako intsony ilay hevitra ao an-dohako ao
Bae ! Bae ! ameza za eto koa ny French Kiss
Zavatra iray no mba tiako atolotrao
Tsy lavitra akory izany fa ny molotrao
Izay tsiriritin'ny hafa rehetra any aminao
Iriako raha mba izaho no ekenao
Omeko avy hatrany ny molotro
Efa ela no niandry an'izao
Efa hainao za fa mila anao ! mila anao
Tsapanao za tsy milalao ! milalao
Ameza 'zaho ilay French Kiss
Mazava ny fiainako raha misy anao
Tsy maizina ny saiko rehefa anilanao
Ny fofonao manitra ao an-koroko ao
Efa tsy handriko ny fotoana hanorohana anao