Very fanahy Mbola velona Aho
Fa nataoko izo rehetra izao
Nafa toa tsy mety, tsy nahitako vokany
Nihamafy andro aman'alina koa izato onjny
Koa very aho , very aho , eny very aho
Miantsoantso vonjy isan'andro
Raha vao miposaka indray ny masoandro
Latsa-tokana an-tany lavitra, ka manirery
Eny manirery, eny manirery
Réf : Ampio aho Tompo ô! Ô!
Fa mafy mila tsy zaka ity fiainana ity
Ka mila anao hanarina izato dia e! e!
Mila anao hatraiza hatraiza
Sy mitady anao koa indraindray
Toa fahotana foana iainanay
Ka raha mba azo atao re arovy ny dianay
Nosedraina avokoa na ny fijaliana na fahoriana izao
Ankaso rehetra eto an-tany
Vitsiana vao mba misy fotoana tena hifaliana
Fa ny isan'andro dia alahelo sy tomany (×2)
Kivy aho Tompo , kivy aho mila hery
Tsy hitako izay asiako fiainako
Indraindray dia lasa saina miteny irery
Satria ny fijaliana dia mila
Tsy ho zakan'ity saiko ity