Tsy afaka manao sonia ianao,
Tsy afaka miantoka ny ampitsonao
Hoe mbola ho velon'aina eto
Ka ho tafafoha ny maraina ô!
Fa satria, ny torimasonao
Dia aloky ny fahafatesana
Fiainana anilam-pasana no eto
Ny segondra sy minitra, ora,
Miomàna, miambena, mivavaha
Mba tsy ho tampoka aminao 'Lay ora
Ho avy tampoka eny an-drahona
Jesoa zanak'Andriamanitra Tsitoha
Miaraka aminy ireo anjeliny
Vonona hitsena azy va ianao
Sao dia toriteny farany ho anao
Ny segondra sy minitra, ora,
Miomàna, miambena, mivavaha
Mba tsy ho tampoka aminao 'Lay ora
Miaina ao anatin'ny famoizam-po
Tsarovy fa Jesosy tsy mandao
Ento eo Aminy hovahany ny olanao
Matokia fa ho afaka ianao
Miverena, manenena ianao mpanota ô!
Ny segondra sy minitra, ora,
Miomàna, miambena, mivavaha
Mba tsy ho tampoka aminao 'Lay ora