Feo fihobiana, feno hafaliana,
Toa paradisa ny fiainantsika
Ny tia sy tiana koa no tafaradia
O ry malala ô, ry fifaliako,
Mamiko indrindra ny anilanao
Ka tsy fantatrao ny hatao
Fa malahelo foana tsy very dia
D’ilay dinantsika ho mandraizay
No ataovy an-tsaina hiverina indray
Tena tsaraoko mihantra ampoko
Toa paradisa ny fiainantsika
Ny tiana sy tia no tafaradia
O ry malala ô! Ry fifaliako
Mamiko indrindra ny fitiavanao
Ny ranomaso foana no indro mitraho
Toa zava-poana izao rehetra izao
F’ilay nitokiana no indro nandao
Ny ahy raha fitiavana noekeko
Dia tsy miova, tsy misy fetra
Ny fitiavantsika ho mandrakizay
Tena tsaroako, tsy hadinoiko
Izao andro anio izao no hitiavako anao