Ny androany fotoana mihavaka hiderako anao
hanambarako izay rehetra anatiko aho
Tompo oh ! vonona aho ny hankalaza sy hidera anao
Ireo izay efa vita hatrizay , ho toizako ny ezaka e
Aminy fanompoana Anao Ray
Izaho vonona hankalaza e.
Hanome voninahitra ny Anaranao
Hidera n'aiza n'aiza hitoerako
Ny ao am-poko ao dia tsisy hafa tsy Ianao
Andry hiankinan'ny fiainako ianao Tompo oh
Raha tsisy ianao dia iza mo no hitarainako
Amin'izay talenta nomenao ahy
Fa na dia maro aza ireo mpanankiana
Tsy ataoko hampiasa loha.
Ianao irery ihany no andry hiankinana
Mety ho fitsapana , mety ho rivo-mahery
Raha izany rehetra izany tsy ataoko hampietry
Fa Ianao irery ihany no handraindraina e
Fa raha zanaka aho dia mpandova Anao
mpandovan'ilay fiainana mandrakizay
Ka izany no mahatonga ahy, hidera Anao
Ka n'aiza n'aiza tany aleha (izay alehako)
Ianao no ataoko ho rehareha (eo @ fiainako)
Eo amin'ny fiainako (mandrakizay)
Sy hitarainako (ianao ry Ray)
Amin'izay talenta nomenao ahy