moa ve fantatrao na mba azonao antsaina
f'izao hira izao natokako anao
inoko fa raha mihaino dia hanaiky
ka hizara amiko ny vetsovetso ny ao ampoko
raha namoron'ity hiry ity dia fantaro
fa ny endrikao, ny fitsikinao
no hitako raha toa nakipiko ny masoko
tsy vitako io raha tsy teo ianao
eny, eny tsy mbola fantatro izay hevitrao
na ho tianao izao hiry izao
asalahy na ho fifaliana, na ho fijaliana
na ho fiafiana, na ho faniriana, na ho hakiviana? ny fanotaniana tinao ve ny hirako?
raha namboraka ny faniriny
mibitsika aminao izay tsiny
hihira, hihira satria ny angotingoty, tambitamby tiany atoa
tsy hainy raha tsy an-kira
ny faniriako, ny vetsovetsoko? asalahy
raha izany farany anio no hikaloko
ity hirako ity, nefa inoako fa any aoriana any
mbola ho tadidinao ary,,,
ary ho fantatrao fa hay efa nitsiry
tao anatinao ny fitiavana ity hirako ity