Loharano tsy mety ho ritra
Tsy haitraitram-po na koa ditra
Fa fitiavana, tsy hay tohaina ny ahy
Tantely tsy lany hamamiana
Rehefa antsoinao iny aho hoe tiana
Mangorintsina, te handingana
Hatramin'izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hatramin'ilay nahitako anao
Mbola feno anao ny eritreritro sy nofy
Tiako ho fantatrao fa tsisy safidy aho
Toa masoandro feno hafanana
Fantatrao aho fa tsy ho voatana
Tsy voafehiko ny tontoloko
Hatramin'izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hatramin'ilay nahitako anao
Mbola feno anao ny eritreritro sy nofy
Tiako ho fantatrao fa tsisy safidy aho
Toa masoandro feno hafanana
Fantatrao aho fa tsy ho voatana
Tsy voafehiko ny tontoloko
Hatramin'izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Hatramin'ilay nahitako anao
Mbola feno anao ny eritreritro sy nofy
Tiako ho fantatrao fa tsisy safidy aho
Hatramin'izao, mbola feno anao izay jereko
Ny endrikao toa tsy mety mandao
Te hanidina aho handingana vohitra
Te hanidina aho handingana vohitra
Tiako ho fantatra fa tsisy safidy aho