mitohy ny tolona isan'andro
Hazakazaka tsy miato tsy misy alina sy atoandro
Mbola manantena fa misy ihany hoe maraina
Jiro mitsilopy, io no andrandraina ah
Tsy kivy tsy mitaraina manantena ny any
Ekeko fa izay no anjarako eto an-tany
Andeha hitady anao hitady anao ×2
Ny mangidy tsy maintsy ho zakaiko
Ka ny gadra tsy maintsy ho lanjaiko
Raha ny foko no mbola mibaiko
Tsy foana tsy akory ny fanantenako
Ny hoavy endrasana , ny anio izay kinasa mbola ampiadiana, ampiadiana
Ny herintsaina no ataoko ambony
io ny foko avelako hitony
Ilay fitia indray andro any
Noho ianao hitraka ny loha
(Hitady anao hitady anao)
'zaho mitraka toy tsy kivy fô
Ny fonakahy mbô anaty tempô
Ranomasoko tsy hitan'ny maso
Safe io mikoriana anatiko
Jiaby zany tsy maintsy tantiko
Tohizako lalanakahy, tsy ambelako kô tsis ta amaray
Akaikinao i zaho lelahy maleo miady et verite
Zaka tsy ary itako nanjary itako
Fa zaho ndraiky tsy hijano fô
(Ny mangidy tsy maintsy ho zakaiko)
(Ny mangidy tsy maintsy ho zakaiko)
Tsy ho foana ny fanantenako ei ei eiii ei ohohoho