Nanantena isika roa hiara-hi-fly eny an'abakabaka
Tena ho antsika roa mihintsy ilay teny natao hoe Ho iray,
Rediredy anao angamba ireny
Nofinofiko ho an'ahy samirery
Indro kay ianao tonga niteny
Omaly ianao nefa nilokaloka
Sady toa niseho nandokandoka
Fombanareo kay lay miovaova
Miala! miala! fa toa manadala
Hiala aho! hiala aho! fa tsy mila intsony anao
Hatrizay aho reraka mitalaho
Tsy hitako izay maha samy hafa anao sy ilay voasoratra ao anaty boky masina iny eh
Heverinao angaha fa vendrana ny aty
dia tsy nataonao hahalala ny fikanao masiso any ambadika any
Ka soavadia fa izaho koa mpanotany
Miala! miala! fa toa manadala
Hiala aho! hiala aho! fa tsy mila intsony anao
Hatrizay aho reraka mitalaho
Fa voarombakao ny foko ka dia roboka hanaraka anao
Efa feno loatra ka mitobatobaka ilay ratra-po anatiko ao
Miala! miala! fa toa manadala
Hiala aho! hiala aho! fa tsy mila intsony anao
Hatrizay aho reraka mitalaho