1. Toa feno hafanana ny endrikao
Fa toa mitantara ireo masonao
Zay milaza ahy fa tia ianao
Toa sarotra ho ahy ny hanantona
Sy hamboraka aminao lay fitiavana
Isan'andro aho miezaka ihany
Tsy hampiseo anao anizany
REF:Mandeha ihany anefa ny ahiahiko
Dia lasa eritreritr'aho ndraindray
Sao ianao hilefa lavitr'ahy
Niezaka ihany aho fa tsy sahy
Fa toa mifampiandry ny fonao sy ny ahy
2. Ny endriko vao mahita anao
Dia feno hafaliana moa ve fantatrao?
Ny ao am-poko raha hitanao
Tsy mitempo afa-tsy ho anao
Toa mamirifiry ity fo mitalaho
Refa injay aho mahita anao
REF:Mandeha ihany anefa ny ahiahiko
Dia lasa eritreritr'aho ndraindray
Sao ianao hilefa lavitr'ahy
Niezaka ihany aho fa tsy sahy
Fa toa mifampiandry ny fonao sy ny ahy
Maninona no tsy ambaranao
F'izaho anie tena TIA ANAO