Feno fandresena ny fiainako hatrizay
Tsy nanenenako ny nanompoko ilay Ray
Masina velona mandrakizay
Feno fifaliana tsy hay fahataperana.
Ny Fanahy Masina no nanavotra ahy
Nandresy fahavalo niampy ady mahamay
Nanisaako tendrom-bohitra.
Fanahy Masina no nanampy ahy
Nandao toetra ratsy sy fakampanahy
Ny fahazavana, Jesôsy no;
Naniratako tanaty haizina.
Ary tsy ho soloiko voninahitra.
Nosafidiany tamin'ny ràny
Ary ovany hatrany hatrany
Tanteraka amin'ny fiainako ny teny fikasany.
Ny Fanahy Masina no nanavotra ahy
Nandresy fahavalo niampy ady mahamay
Nanisaako tendrom-bohitra.
Fanahy Masina no nanampy ahy
Nandao toetra ratsy sy fakampanahy
Ny fahazavana, Jesôsy no;
Naniratako tanaty haizina.
Nanisaako tendrom-bohitra
Ôh oh ôh! ôh!, ôh oh ôh! ôh!...