1. Tia ahy ianao nefa aoka tsy ho tsiny
Raha toa ka valiako hoe: tsia
Namako anie ‘lay niarahanao iny
Tsy hamitaka azy aho sanatria
Izahay roalahy ela no nifanasoa
Tsy mba nifanafina izay tao am-po
2-Tia ahy ianao f’aleo aoka hatreo
Ho valiako avy hatrany hoe: tsia
Tsy amboly alahelon-drahalahy aho no hiseho
Izaho atokisany indray ve no ho sahy
Hanatsatok’antsy azy ivoho
Ianao izao hanjono ahy sy haka fanahy
Ref: Fitia langalanga, tsy am-po fa kilalao
Fitia rambaramba, kajin’ny tia vao
Afo mandoro anie izao atsanganao izao
Tsy maintsy hikoro fa mora mankalao
3-Tia ahy ianao nefa toa tafahoatra
Iangaviako ianao miakanjo
Sangy mihoatra ny loha izao ka aoka
Hainao fa tsy hitondra soa
Azoko atao tokoa ny hanararaotra
Hanjary ho sakaiza manody
Ka tsy ambony fitaka aho ny hanamboatra
Fitiavana tsy maintsy hanody
MICKAEL ( Fitia Langalanga /Album2 – SM PRO – 2003 )