'Zao 'lay fotoana hampiakarako anao silampanahy
Manombok'izao, ianao ho ahy rahatrizay
Ho iray lalana, hamakivaky ny fiainana
Ka indro ny foko, ho anao raiso manontolo
Ny faniriana ho anao, ho anao daholo
Ny kintana, ny volana, ny lanitra ho angalariko ho anao
Hitoetra Rahatrizay, ho vatolampy ilay fitia,
Ho andry iankinana, ho nofy mamy ho doria
Ho atomboka androany, na ho soa sy mamy
Androtsika anio, mifanolotra fitia
'Lay hatsaranao, mampahatsiahy ilay nambabo ahy
Reko ny hafanana, mandoro 'lay foko ao...
Ny hivadika aminao anie sanatria
Hifanatitra ilay dia..... oh oh
Hitoetra Rahatrizay, ho vatolampy ilay fitia,
Ho andry iankinana, ho nofy mamy ho doria
Ho atomboka androany, na ho soa sy mamy