Mijery ambony, mijery ambany
Mandeha ho azy (mandeha ho azy)
Efa nataoko izay rehetra mety ho vitako
Izato heriko aza efa saika ritra koa
Ka mialatsiny raha hangata-dalana ah’
Hihirahira be handamindamina
Harivarivariva indray (yeah)
Masoandro mody no indro tazanay (yeah)
Mamoron-tsary ho tsara torimaso
Tsy ankiteny hoe “andraso”
Mandona nefa tsy hita maso
Dia tsarona anie ny fahazazana (yeah)
“Tsisy tsiny” hoy ilay akama (yeah)
Fitia sy tsiky no natolotra anay
Andraso kely fa hiverenako any
‘Zaho tsy hanaiky fa hidrikina
Toa mety ihany raha izy ohatran’izany
Raha tsy izany dia mahasahy
Fa ohatrany hoe tsy kôfiboay
Ny hiafarany ve raha tena hidrikinako
Dia tsy ho avototro fa tena hifikirako
Ny Zanahary, ny fitia ve dia handà
Raha toa ka izahay hiara-dalana ?
Harivarivariva indray (yeah)
Masoandro mody no indro tazanay (yeah)
Mamoron-tsary ho tsara torimaso
Tsy ankiteny hoe “andraso”
Mandona nefa tsy hita maso
Dia tsarona re ny fahazazana (yeah)
“Tsisy tsiny” hoy ilay akama (yeah)
Fitia sy tsiky no natolotra anay
Fa ankehitriny mbola miampy
Zavatra hafa ho anay (yeah-hey)
Harivarivariva indray (yeah)
Masoandro mody no indro tazanay (yeah)
Mamoron-tsary ho tsara torimaso
Tsy ankiteny hoe “andraso”
Mandona nefa tsy hita maso
Dia tsarona re ny fahazazana (yeah)
Singan’olona nihanahana (yeah)
Fitia sy tsiky no natolotra anay