Mbola tadidinao ve le tamin'ny mbola kely fahiny ela be
Volana juillet le zay manao fialan-tsasatra any Antsirabe
Tamin'izany nahoana no tsy ho faly
Mahita anao mitaingina soavaly
Fito amby folo taona lasa izany
Tamin'izany le pecle voalohany
nahitako anao menamena fitafy
Otrany hoe varavaran'ny gara
Mba omeo ny anaranao nefa de nataoko hoe malilo
Hafa ny hatsaranao razazavavy fa tsy mampino
Aza mba malahelo izany ianao
Na fotoana fohy aza ny niarahantsika
De tsy haiko ianao na mbola eto ihany ii
Na koa nanidina any andafy any
Mbola tsy niova kony ny lokon'ny tarehy
Fotsifotsy notafina menamena anh
Fotsifotsy mampahatsiaro ny fahazazanao re ry malilo
Lay mijanona ao an-trano de miletra voamadilo
Menamena mampahatsiaro masoandro mody rehefa hariva oh
Hoe tapitra ny fialan-tsasatra hody any Antananarivo oh
Ka raha mbola tsy zakan'ny zalahy ianao
Tandremo ny vadinao ary sao saropiaro
Na fotoana fohy aza ny niarahantsika