Raha toa ka lasa ny fisainanao
Ireo teny mamiko indray iainanao
Tsy hoe vaovao, fa fantatrao
'Reo teny tsotra hoe: "tena tiako ianao"
Tsy mitovy (ny) fitavany sy ny ahy
Ny endrikao, ny fihetsikao
Ny angolanao, ny tenanao rehetra
Ny mombamomba anao, etsetra etsetra...
Efa voateny, efa voatety ny fitiavako
Ka matokia, tsy anio ihany fa ho doria.
Olon-tia anao, sady namanao
'Reo toky izay omeko, efa ekeko
Toky tsotr(a)'izao: "tena tiako ianao"
Raha mafy sy mahery ireny sedra ireny
Ny endrikao, ny fihetsikao
Ny angolanao, ny tenanao rehetra
Ny mombamomba anao, etsetra etsetra...
Efa voateny, efa voatety ny fitiavako
Ka matokia, tsy anio ihany fa ho doria.
tsy anio ihany fa ho doria (x N)