Isika tsy naman'izay miemotra eee
Raha mbola olana mandalo zany
Fiainana eto an-tany zany
Ny toetra no atao mendrika eee
Dia hitsikio avy amin'ny fo
Fa ny sambo anie tsy ho rendrika eee
Raha onjam-piainana miserana
Any afara ny mpanenjika eee
Mangidy ny rora, mangina ny vava
Ny fo sy ny saina misaona
Fa lasa 'lay tiana nametra-beloma
Tsy nahandry ilay mandrapihaona
Miniha mitsiky mifaly eny foana
Ririnina vao lohataona...lohataona
Dia misy koa rahona matevitevina
anakona volana f'izy ao ihany
Masomboly ilay mody milevina
fa efa mifoha izy hamaky ny tany
Ka dia mahaiza mifidy ny tsara fihinina
Isika tsy naman'izay miemotra eee
Raha mbola olana mandalo zany
Dia ao koa ireo namana mody ho namana
nefa ny hamingana anao no kendreny
Ataovy ao am-po ny ankohonana
Atoavin'ny ray aman-dreny (fa marina zany)
Zarao izay tsy manana, arovy ny an-tanana
Tiavo ny tia de ny ratsy fadio
Ilay nahary no ndeha tadidio, hifalio
Fa misy koa rahona matevitevina
anakona volana f'izy ao ihany
Masomboly ilay mody milevina
fa efa mifoha izy hamaky ny tany
Ka dia mahaiza mifidy ny tsara fihinina
Isika tsy naman'izay miemotra eee
Raha mbola olana mandalo zany
Isika tsy naman'izay miemotra eee
Raha mbola olana mandalo zany