Tamin'ny fo no tena ninoanay,
Fa Jesosy no tonga hamonjy anay
Tamin'ny vava no tena nanekena,
Fa ny ràny no nahadio anay
Ref: Vavaky ny Tompo, mba ho iray
Fanahy izay nomeny, mampiray
Fanahy fitiavana koa ny Ray
Nahoana lahy raha mifankatia
Mifankatiava hoy ny Tompo,
F'izany no hamantaran'ny olona rehetra
Tsy iray finoana, fa iray ao Aminao
Tsy iray fihaviana, fa iray an-dapanao
Tsy iray fiteny, fa samy henoinao
Tsy iray fihodirana, fa samy zanakao
Ref: Vavaky ny Tompo, mba ho iray
Fanahy izay nomeny, mampiray
Fanahy fitiavana koa ny Ray
Nahoana lahy raha mifankatia
Mifankatiava hoy ny Tompo,
F'izany no hamantaran'ny olona rehetra