Indramiko kely ny alitara androany
Misy afo mamay tsy hay vonoina any anatiko any
Anatrehan'i Ray sy ireo namana, fianakaviana
Tsy tanako intsony fa toa ranomasom-pifaliana!
Tazako avy eny am-baravarana
Lafatra loatra ny hatsaranao tsy azo sakanana!
Hifanaiky tsy an-kisalasala ilay voady sy dina
Hiaraka hilofo sy hanatanteraka ireo vinavina.
Fa tiako, tiako!, tiako e!
Ilay tantaran-tsika ho lalaiko tsy hanam-paharoa.
Ho koloiko, tsy foiko, ho fihiniko e!
Ho mandra-maty sy ho lamban'akoho ny amin-tsika roa,
Ilay foko naratra solafaka fahiny
Nozairinao toa tsy misy fery ankehitriny!
Ireo ranomaso miraraka re ee!!
Nofafainao dia navadikao fitiavana be.
Nandalo ny volana, arahana taona
Ny antsika roa dia nifikitra foana,
Na zavona maro narahana onja
Ny tamin-tsika dia mbola tsy niova,
Diamondra, diamondrako ianao ôh!
Fa tiako, tiako!, tiako e!
Ilay tantaran-tsika ho lalaiko tsy hanam-paharoa.
Ho koloiko, tsy foiko, ho fihiniko e!
Ho mandra-maty sy ho lamban'akoho ny amin-tsika roa,
Tiako!, tiako!, tiako e! (X2)
Fa tiako, tiako!, tiako e!
(Ilay tantaran-tsika ho lalaiko tsy hanam-paharoa)
Ho koloiko, tsy foiko, ho fihiniko e!
(Mba ho mandra-maty sy ho lamban'akoho ny amin-tsika roa, ôôôôôô!!! ôh!)
(Oh!!, ho lamban'akoho ooh!)
Ho koloiko, tsy foiko, ho fihiniko e!
(Mba ho mandra-maty sy ho lamban'akoho ny amin-tsika roa)