[Dia tena mampahory anao ry Tompo
Ny toetra ratsiko mpanompo
Mibebaka aho, mifona aho Raiko Tia
Mandohalika aho eto anatrehanao
Miangavy aho re mba avelao
Mitalaho aho, miangavy aho, f'hiverina Aminao] x2
Fa mpanota aho ka tsy mba mendrika Anao
Fantatro fa ratsy dia niniako natao
Fa raha izaho Jesoa dia tsy mba hiala Aminao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
Endrey ity fitiavanao ry Tompo
Ny nanavotanao ahy mpanompo
Misaotra Anao, mitsaoka Anao Raiko Tia
Mivoady aho eto anatrehanao
Mivoady aho tsy hiala Aminao
Endrey ity fitiavanao ry Tompo (Fitiavanao ry Tompo)
Ny nanavotanao ahy mpanompo (Ou ou ou ou)
Misaotra Anao, mitsaoka Anao Raiko Tia
Mivoady aho eto anatrehanao (Mivoady aho eto anatrehanao)
Mivoady aho tsy hiala Aminao (Tsy hiala Aminao)
Fa mpanota aho ka tsy mba mendrika Anao
Fantatro fa ratsy dia niniako natao
Fa raha izaho Jesoa dia tsy mba hiala Aminao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
Manenina izao, manenina izao
Mivoady Aminao, F'hiverina Aminao
Fa mpanota aho ka tsy mba mendrika Anao
Fantatro fa ratsy dia niniako natao
Fa raha izaho Jesoa dia tsy mba hiala Aminao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
Raiso anie Jesoa raha toa ka mba sitrakao
F'hiverina Aminao (Tompo)
Raiso anie Jesoa izao fivavako izao