Midona e, midona ny oran-ko avy
Manako, manako ao am-po mahatsiahy
Nahoana no ambiaty ladinin'antsoro
Sy rindrina rava no sisa mijoro
Adino va re zany tany nihaviana ?
Midona e, midona ny oran-ko avy
Manako, manako ao am-po mahatsiahy
Nahoana no ambiaty ladinin'antsoro
Sy rindrina rava no sisa mijoro
Adino va re zany tany nihaviana ?
Ny rano sotroina va re no nangidy
Ny rivotra iainana ve no tsy tanty
Raha toa re ka vazo mitovy nahoana
No avela hirodana sy zary moana
Ka vorona sisa manorin'akany.
Midona e, midona ny oran-ko avy
Manako, manako ao am-po mahatsiahy
Nirodana ve zany fanantenana
Ka zary malama ny lalan-kombana e
Tomany, tomany ny fo mahatsiahy mmm
Tomany, tomany ny fo mahatsiahy mmm
Tomany, tomany ny fo mahatsiahy.
Ny Nanahary Bemangovitra 1982