Ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy
Ho takalom-pahafahana izay tratry ny sainy
Ho azy ireo indrindra mantsy no ilaiko
Hitoetra ato am-poko, ho sikotra ato an-tsaiko
Ho fahatsiarovana ilay reny tia
Izay namafy fahendrena antsika etý
Ho azy ireo indrindra no ilaiko
Hitoetra ho sikotra ato an-tsaiko
Maro ireo izay natao tsy ho faty
Tsy ho levona akory ao anaty
Mihodinkodina ao an-tsaina ho tsiahy
Maro ireo natao tsy ho faty
Tsy ho levona akory ao anaty
Na izany aza anefa miandry anao
Ho feno tsiky anie ilay fiainam-baovao
Ho an’ireo nitia kanefa tsy nambinina
Ndeha zakao izay hitranga tsy fidiny tsinona
Ho azy ireo indrindra mantsy no ilaiko
Hitoetra ato am-poko, ho sikotra ato an-tsaiko
Na izany aza anefa miandry anao
Ho feno tsiky anie ilay fiainam-baovao
Ho fahatsiarovana ireo izay namoy ny ainy
Ho takalom-pahafahana izay tratry ny sainy
Ho azy ireo indrindra manntsy no ilaiko
Hitoetra ato am-poko, ho sikotra ato an-tsaiko