Matoa aho nitady anao satria
Tsaroako tanatiko tao, Ilay foko nitempo fitia
Hery tsy haiko resena , Sento sy embona koa
Ny atin’ny fo raha jerena, dia tokana mba te ho roa
Nanavaka anao tao anatin’ny maro
Nitady anao eram-bazan-tany
Saika tsy nahita nefa kanjo tazako ianao
Ary tsapako tamin’izay fa tanteraka ny nofiko
Matoa aho nifidy anao satria,Ilay endrika sy bikanao
Dia nambabo ilay foko efa tia,
Tsy fantatro izay ao aoriana
Ny foko dia feno hafaliana satria tiako ianao
[Nanavaka anao tao anatin’ny maro
Nitady anao eram-bazan-tany
Saika tsy nahita nefa kanjo tazako ianao
Ary tsapako tamin’izay fa tanteraka ny nofiko]2X
Matoa aho nifidy anao satria,Ilay endrika sy bikanao
Dia nambabo ilay foko efa tia,
Tsy fantatro izay ao aoriana sy mety ho vokatr’izany
Ny foko dia feno hafaliana satria…….. tiako ianao