Aoka, ampy izay ny tsetra
Angaha ianao jorery no tomany tahak'itony
Angaha dia tsisy zavatra hafa azo atao intsony?
Jereo ny masoandro avo , jereo ny tany ravoravo
Angaha ianao hahita andosirana eto an-tany
Angaha hahita vonjy ianao raha tsy aminao ihany
Na ny vitsika aza kitika sy voronkely kely
Miasa izy, mandeha izy, miady izy, miaina izy
Miasa, mandeha, miady, miaina, miasa, miady, miaina tsy mitsahatra ka:
Izay tsy mety areno, toko tapaka
Izay simba amboary, toko tapaka
Ny mamy atelemo, voankazo an'ala
Ny mangidy aloavy, voankazo an'ala
Izay tsy atao tsy vita, izay tsy atao tsy vita, izay tsy atao tsy vita
Indray maka no maty amin'ny sisa atao tsara fa
Lasa nanaraka olona i ampela soa?
Avelao ho lasa any, ndeha mankany Iarivo fa
Ny tondradrano eo ihany fa ny risoriso no
Aoka, ampy izay ny tsetra
Angaha ianao jorery no tomany tahak'itony
Angaha dia tsisy zavatra hafa azo atao intsony?
Jereo ny masoandro avo , jereo ny tany ravoravo
Angaha ianao hahita andosirana eto an-tany
Angaha hahita vonjy ianao raha tsy aminao ihany
Na ny vitsika aza kitika sy voronkely kely
Miasa izy, mandeha izy, miady izy, miaina izy
Miasa, mandeha, miady, miaina, miasa, miady, miaina tsy mitsahatra ka:
Izay tsy mety areno, toko tapaka
Izay simba amboary, toko tapaka
Ny mamy atelemo, voankazo an'ala
Ny mangidy aloavy, voankazo an'ala
Izay tsy atao tsy vita, izay tsy atao tsy vita, izay tsy atao tsy vita
Izy aza mba tsy azo, raha tsy azo anio dia
Rahampitso indray misambotra
Rava tsisy intsony ny fitia?
Avelao ho rava any, mifohaza maraina ka