Tiako loatra Ianao ka tsy mba nafeniko
Ka hafoiko izao rehetra izao tsy neniko
Afa-po tanteraka aho, faly manana Anao
Andry hiankinan'ny fiainako rehetra
Omeko hanjakanao ry Tompo ny androko
Sy izay mety ho faniriana sy tanjoko
Ampy ho ahy mandrakizay doria
Tiako loatra Ianao ka tsy mba nafeniko
Ka hafoiko izao rehetra izao tsy neniko
Afa-po tanteraka aho, faly manana Anao
Andry hiankinan'ny fiainako rehetra
Omeko hanjakanao ry Tompo ny androko
Sy izay mety ho faniriana sy tanjoko
Ampy ho ahy mandrakizay doria
Fa izaho ho Anao tontolo ry Tompo
Tiako ary mbola ho tiako isan'andro
Tena sarobidy amiko indrindra
Ny fiainako anilanao mirindra
Hanjary ho maloka ny tontolo
Ampianaro aho Tompo hijery
Izay miaraka Aminao tsy ho irery
Manana Mpiandry tsara sady tsara karakara
Hialoka eo ambanin'ny elatrao
Fa izaho ho Anao tontolo ry Tompo
Tiako ary mbola ho tiako isan'andro
Fa izaho ho Anao tontolo ry Tompo
Tiako ary mbola ho tiako isan'andro
Tiako ary mbola ho tiako isan'andro
Tiako ary mbola ho tiako isan'andro