Efa nataoko fanahiniana tsy ho hita mintsy ianao
nefa mbola tsy mety ihany,
fa mitamberina ireo hamamiana
ny foko atramin'izao mbola mitempo ho anao ihany,
Mahatadidy ireo zavatra tsy nety nataonao anah,
Mitady hanaiky hamela anao ihany nefa tsy mahasahy...
Ieh!Ieh!Ieh iiih!Ô my baby gyal...
Tsy haiko na ny foko na ny saiko anie no diso
fa tsy fantatro izay marina,
matahotra ny ho diso safidy aho
nefa mbola te ho tafarina
ny foko tia azy e, nefa ny saiko mandà
Natositosikao aho nefa tamireny
Fa nampanginiko ihany aloha ny vavako,
voahitsakitsakao aho nefa tsy sahy niteny
nefa tsy mety manadino anao ny foko
Efa nandramako nalevina izay rehetra momba anao
Ny sarinao,ny fisinao hatraminy anaranao
Fa tsy mety voafafa hoy aho fa vao mainka ko nahatsiaro
Na nangidy aza no niainako mba nisy koa natsiro
Hofafako mintsy ve ny lohako
Amerina ny hitia anao iverina amin'ny naloako,
iezaka hanadino anao tsy voateliko ny rorako,
anarina ny lasa fa ny toaka aza mo nogohako...