Tsy afaka hitraka intsony
Ianao hono efa lavo f'izy foana no eo ambony
Satria ianao tsy miteny dia lazainy fa resy
Satria anazy ny vola sady izy fetsifetsy
Dia izy sahy miteny hoe Zanahary anazy irery
Izy hono efa avotra, ianao tsy maintsy very
Indraindray ianao te hitroatra te hamaly izay ratsy
Fa aleo izy ho any, hivaly aminy iny atsy ho atsy
Tsy fantany mantsy tsy resy ny olona mangina
Toe-tsaina sy finoana ny anao no fitaovam-piadiana
Ampio fanantenana, ny tanjonao banjino
Dia mpandresy foana ianao, izay fotsiny aza adino.
Tsy kivy tsy miondrika ianao raha mbola mandia tany
Mitrakà fa eto misy ambony misy ambany
Dia reraka eo izy hanenjika anao dia amin'izay
Henoy ny hiranay hoe: ...
Na be mpamingana ianao, be mpanadala e
Manana finoana ianao, fanantenana e,
Ho sasapoana izy manenjika afara e,
Tazomy mafy ny toe-tsaina fa tsara e
Satria ianao tsy namaly dia sahiny badoina
Loza ho azy raha ny marina no niniany vonoina
Ianao tsy tompon-tsafidy satria hono izy bandy
Lazao azy fa ny fitia mahery noho ny sandry
Ianao hono ilay ambakainy foana hatram'zay
Teneno azy fa tsara ny manome noho ny mandray,
Dia ajanony hoe 'lay zesta be sy taim-bava
Fa olombelona izy, indray andro any mbola ho rava
Tsy fantany mantsy tsy resy ny olona mangina
Toe-tsaina sy finoana ny anao no fitaovam-piadiana
Ampio fanantenana, ny tanjonao banjino
Dia mpandresy foana ianao, izay fotsiny aza adino.
Tsy kivy tsy miondrika ianao raha mbola mandia tany
Mitrakà fa eto misy ambony misy ambany
Dia reraka eo izy hanenjika anao dia amin'izay
Henoy ny hiranay hoe: ...
Na be mpamingana ianao, be mpanadala e
Manana finoana ianao, fanantenana e,
Ho sasapoana izy manenjika afara e,
Tazomy mafy ny toe-tsaina fa tsara e
Noho ny fitiavan-tenan'olona anakiray
Noho ny hetraketraky n y fiainana andavan'andro
Dia mila resenao ireo rehetra rehetra ireo
Satria ianao manana fanantenana
Satria ianao manana tanjona
Satria ianao manana finoana