Tantara tena soa ro tarognina eto
Ny iray ho an’i Andriamatoa
Angamba soasoa sy metimety ny manan-droa
Soresorena koa Ingahirainy
Fa raharaha tsy azo ialana
"Ramose est absent ka malalaka ny la voie"
"Efa vonona ny repas" dia "tongava malaky ialahy"
Dia mifamono sy mifandratra
Dia mifarana teo ny angano
Ilay faharoa no lasa tompontragno
Soa ny manan-droa lehiretsy (in-2)
Soa sady mahavoa letsy (in-2)
Miaina amin’ny trano roa letsy
Roa koa ny farafara letsy
Fa ny vola ro lany zara letsy (in-2)
Andavanandro an-dRangahy vady
An-dRasakaiza amin’ny alahady
Iroalahy any tsa mba miady
Fa mpifankatia sady kamarady
Kilongalahy tsa mba mitoreo
Ny ao an-dragno vorivory sandry
Ny agny ivelany malandilandy
Fa matetika dia vaky loha
Fa ny miaina eto dia tsa indroa
Koa araraoty ny mahafinaritsa
Ny manan-droa eko tsa mba sarotsa