Ianao no hadalako, ianao no fahendreko
Ianao no fahalalako, ianao no fandreseko
Nefa lasana ianao, nitsaitsaika tsy ho reko
Na toy ny tasy tsy ho voafafa
Ianao no fahalemeko, ianao no tanjako
Ianao no manetry sy manome ny lanjako
Nony lasana ianao niboridana ny kianjako
Fa ny ahy fitia tsy afaka hihena
Ianao no hasiko, ianao mosaviko
Ianao no laviko, ianao no ankatoaviko
Nony lasana ianao nanjombona ny ho aviko
Ka ianao ihany no afaka hitsabo
Ianao no harenako, ianao no fihafiko
Ianao no hany masoko, ianao no fitsikiko
Na tsara ianao na ratsy dia efa nikipiko
Ny ratrako aza efa nihidy
Ianao fantatro tsara ianao no mbola tsy haiko
Ianao nahay nanaja ianao nahay nibaiko
Nony lasana ianao saiky nanaraka ny aiko
Ny antsika fitia tsy hivitrana