1.Raha tsy eo anilanao ny foko mitomany
Raha lavitra anao aho angamba mbola mety harary
Tsy adalàna sanatria, fa noho ilay fitia izay nomeko anao!
Aza avelanao hangina, handalo fahoriana
Ny anilanao no tiako! Ianao ilay faniriako!
Efa ianao, eny mbola ianao
No efa mifikitra tsy mba miala ao am-poko ao
Efa ianao, eny mbola ianao!
No efa mifikitra tsy mba miala ao am-poko ao…
2.Efa hainao ny ato am-poko hatramin’izay
Fa tsy mbola niova hafa ankoatranao
Ny anilanao ihany, eo no mahatsara ahy
Na nisy aza ny olana dia teo foana aho
Tsy nanana eritreritra ny handao anao
Mila anao zah, mila anao foana!
Efa ianao, eny mbola ianao
No efa mifikitra tsy mba miala ao am-poko ao
Efa ianao, eny mbola ianao!
No efa mifikitra tsy mba miala ao am-poko ao…
Mangatsiaka raha tsy eo ianao!
Mamisavisa ireo tantarantsika !
Manirery anao, tena malahelo anao!
Efa ianao, eny mbola ianao
No efa mifikitra tsy mba miala ao am-poko ao
Efa ianao, eny mbola ianao!
No efa mifikitra tsy mba miala ao am-poko ao…