Ilay masoandro efa dify tery
Injay nisy nisioka tao ala-trano tao
Tonga ilay malalany, tonga ilay malalanao
Tapitra hatreo ilay nofy saika mamy
Ilay tompon-toerana no indro fa tamy
Ataoko ahoana moa, mangina rehefa voa
Raha lasa aho dia indro, indro ny anao nanakatom-baravarana
Izaho irery sisa tao ala-trano tao nanarangarana
Isika moa na dia nifankatia
Dia izy ilay efa nisy hatrany aloha
Izaho efa faharoa, haitraitra ihany koa
Tsy afaky hanampatra ny fo
Maka sary an-tsaina izay ataonareo
Mionona nony avy eo mahatsiahy ilay aninkeo
Rehefa lasa izy dia hiverina ao aho
Misy fetrany ihany ny fahazakako izao
Sady manahy aho ny ho todin’izao
Ny ahy ve tena izy ny azy kilalao
Ilay masoandro efa dify tery
Injay nisy nisioka tao ala-trano tao
Tonga ilay malalany, tonga ilay malalanao
Tarika Rebika (Album Vol. III, Tanora milalao)