Any ho any angamba misy eh ...
nosy kely iray , zay anjakan'ny fihavanan'eh
kintana analin-kisa eh , mazava no manjopiak'eh !
Any ho any angamba ty olo oh ...
sariaka sy tsiky lava ,mahavariagn'eh
fo madio tsy misy loto oh , ty iaignandrozy manontolo oh !
Zaho te ho any , tsy tamana ety an'iaho
ny foko sy ny saiko efa lasany any lahy
zaho te ho any eh ! tsy tamana ety
ny foko sy ny saiko efa lasany any
Indray andro any mbola ho avy any an'iaho
Indray andro any tsy maintsy ho tonga any lahy
Indray andro any eh , tsy maintsy ho avy any an'iaho
Indray andro any tsy maintsy ho tonga aaany
Any koa lereo misy eh , fiainam-baovao
izay feno fitiavana ah ! tsisy ty alialy eh ,
tsy ahità olo mifamaly eh
Tsisy ty fahoria ah , foana ny fijalia !
Ndrozy any aby falifaly eh , tsy ahità olo mifamaly eh !
Izao tontolo izao ,mbola hilanao
Ny mponinao ety ,mbola hitady anao
( tsy maintsy x3 , hitady anao )
Izao rehetra izo , tsy maintsy hitady anao
Ty ndaty aby etoa , tsy maitsy hipay anao
Toerana mahagaga sy mahavariana
tsy ahità raha mahory io tsisy manahira
Tany masy io lahy ka maro harea
Tsisy raha tsy ao , ndra safira volamena .