Tsy andriko ny maraina hahitana anao
Na ny alina aza toa lany amin’ny fanembonana
Miraikitra ato an-doha ilay endrikao
Ny tsikitsiky malefaka,mampite-hanoroka
Te-hiantso mafy ny anaranao
F’ianao foana no ambavako ao
Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
Lasanao avokoa ny fitiavako
Tsy rediredy sanatria.Fa tena tia
Voahomana avokoa izay rehetra atao
Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao
Indraindray aza toa miteniteny foana
Ny tsisy aza foronina rehefa ianao no manoloana
Ity foko mitempo tsy miato
Dia ianao tokoa no nambabo
F’ianao foana , fa tsy hay fefena
Voahomana avokoa izay rehetra atao
Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao
Indraindray aza toa miteniteny foana
Ny tsisy aza foronina rehefa ianao no manoloana
Ity foko mitempo tsy miato
Dia ianao tokoa no nambabo
F’ianao foana, fa tsy hay nofefena