1. Aok'izay ny amintsika sao mihitatra,
Soavaly tsy ho folak'ianao
Avelao mba hipetraka ho tantara ho ahy
Toa tsy matotra, volana maro lasa izay
Loza miantona, sampontsampona
Tsiron-kanina mahafanina, aoka ihany
Ref: Toa salama nefa toa marary,
Zay angamba no filazako azy
Fihetsika miampy vazivazy
Mitratrevatreva atsy sy ary e!
Kapain-tsita fery anie ny aty!
2. Ny hatsaran-tarehy manambaka
Fa ny saina, goragora be mifanahaka
Ny làlana aleha nefa malama
ny anio vita ihany fa ny manaraka mandatsalatsa
Tsy izaho no miana-kendry
Fa isika e! Olona voahozona daholo
Raha anararao-paty aho toa tsy mety
vazivazy, manal'azy misy fetra ho'aho
Ref : Langalanganao mafandri-maso ahy
Izato angolangolanao toa tsara
Ngotingotinao nanadala ahy
Fotsena teo ireo tambinao
Any an-kafa indray manipy sandry